Urban Vibes, andiany faharoa : nampiala voly ny tanora teto an-dRenivohitra

Voasarika sy liana tamin’ ny seho Urban vibes, andiany faharoa, tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly, ny ankamaroan’ny tanora teto an-drenivohitra. “Tratra ny tanjona, tonga maro ny tanora nanatrika sy namaly ny antso”, hoy Rasamison Henintsoa, mpikarakara sady mpamorona ny Urban Vibes. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hankafizan’ny maro ny tontolon’ny mozika an-tanàn-dehibe ary hampiala voly ny tanora. “Mafana ny seho, namaly ny hetahetanay ary nampiala voly anay mpankafy ny seho natolon’ireo mpanakanto”, hoy ireo mpankafy nanontaniana. “Nahasarika ahy ny seho satria natao tamin’ny andro atoandro sady andro alahady”, hoy i Rado, mpankafy. Anisan’ny nampiala voly ny ankamaroan’ ny tanora ny fampisehoana. “Efa mpankafy ireo mpanakanto eo amin’ny tontolon’ny Urban vibes sy ny World cola ka antony nandrisika ahy ha­natrika ny seho androany”, hoy i Dian Rak, mpankafy.

Nanafana ny seho ireo mpanakanto maro. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fanaovana “play back” sy “dj” ireo mpanakanto sasany fa nitondra mpitendry, izay tena nankafizin’
ny tanora. Anisan’ny hetsika, mampitambatra ny mpanakanto tena kalaza sy ireo vao misandratra eto Madagasikara ao anatin’ny tontolon’ny mozika Urban. Miandry ny fandaharam-potoana amin’ny seho andiany fahatelo indray ny mpankafy.

Mino

Partager sur: