Ady amin’ny famarinan’olona : mpitarika 6 miofana any Etazonia

Malagasy sy Kaomoriana 6 mianadahy mpitarika no voafantina handray anjara amin’ny programa International Visitor Leadership Program (IVLP) 2024 izay miompana amin’ny ady amin’ny famarinan’olona.
Niarahaba manokana ny ezaka sy fanoloran-tenan’izy ireo, amin’ity sehatra ity, ny masoivoho Amerikanina, Claire Pierangelo, nandritra ny tafatafa fanomanana ny dian’izy ireo.
Hitety fanjakana 4 any Etazonia izy 6 mianadahy hatra­min’ny 24 mey izao. Hiezaka haka traikefa momba ny ady amin’ ny famarinan’olona, hamantatra ny lalàna Amerikanina momba izany. Votoatin’izany ny lalàna mifehy ny fahazoana mivezivezy amin’ny firenena iray, indrindra ny fampiharana izany lalàna izany amin’ireo tompon’antoka amin’ny famari­nan’olona.
Ny programa IVLP no fandaharanasa fifanakalozana matihanina voalohany an’ny departemantam-panjakana Amerika­nina, mitondra ireo mpandray anjara avy amin’ny sehatra isan-karazany. Manao fitsidihana fohy any Etazonia ary mamboly fifandraisana maharitra amin’izy ireo ny mpiray sehatra. Eto Madagasikara, efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny ady amin’ny famarinan’olona ary manohana izany rahateo ny Amerikanina.

Tatiana A

Partager sur: