Ambositra : Kaominina 11 nahazo Vatsin’ankohonana

Mitohy ny tetikasa Vatsin’ ankohonana any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Kao­minina 11, anatin’ny distrikan’ Ambositra nizarana izany niaraka tamin’ny Tosika fihariana.
Olona miisa 9 500 no nahazo tombony tamin’ny fisitrahana ny Vatsin’ankoho­nana tamin’ity andiany ity.
Natao hanohanana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ny Vatsin’ ankohonana. Ankoatra izay ny fanarenana miandalana ny ankohonana hiala anatin’ny fahantrana lalina ka hiezaka amin’ny fihariana mahavelona sy mahaleo tena. Teo koa ny fanohanana ara-bola ireo tetikasa madinika isan-tokantrano, toy ny fiompiana sy fambolena ao anatin’ny Tosika fihariana.
Efa hita porofo eny ifotony ny fiharenan’ireo ankohonana maro nisitraka ny tetikasa tanatin’ny taona maromaro. Misy amin’ireo zanany efa tafita amin’ny Lycée sy oniversite. Misy koa ireo tokantrano niainga tamin’ny kely kanefa efa manana fivelomana amin’ ny fiompiana matanjaka amin’ izao fotoana rehefa narahina tantsoroka ny tohana nomena azy.
Efa nahitana vokatra tsara ny tetikasa ary manolotra fisaorana feno ny fitondram-panjakana sy ireo manampahefana rehetra eto an-toerana ireo mpisitraka izay efa miroso tanteraka amin’ny fizakan-tena ara-toekarena sy ekonomika

Nampiarahina tamin’ny fanentanana ny fandrindrana ny fiainam-pianankaviana, ny ady amin’ny herisetra ary ny ezaka kopia ny hetsika.

Tatiana A

Partager sur: