Hafampana ny tanàna

Miavaka ity herinandro hitsahintsika ity. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimiera roa tonta. Hazakazaka arahin-tosika tsy misy ohatr’izany. Lanonam-panokafana, fihaonan’ny birao maharitra, fandaniana ny fandaharam-potoana. Iarahana manatanteraka anio avokoa izany. Hita taratra eto tokoa ny maha lamasinina haingam-pandeha ilay fitondrana ny raharaham-panjakana.
Mifanindran-dalana amin’izany, hanomboka ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà milatsaka hofidina solombavambahoaka. Vao ny taratasy filatsahana hofidina no tafapetraka, ny ankamaroan’izy rehetra efa teny an-kianja rahateo. Samy nakanaka fiaingana mialoha ny fotoana. Tsy misy lalàna koa mandrara ny fanomanana mialoha ny fotoana. Na mpanohitra, na mpanohana, eny na ireo mahaleo tena aza efa samy nanovokovoka avokoa.
Tsy nisy ary tsy hisy hanaiky ho gisitra avokoa ireo nisafidy ny hihazakazaka eny Tsimbazaza. Ho henjankenjana, araka izany, ny fisipi-dalao eny am-panaovana fampielezan-kevitra eny. Tsy misy vola adala tompo izany ka avela ho verivery fotsiny amin’ny tsy ho fahalaniana eo. Samy manana ny paikadiny hoenti-mandrombaka fahefana avokoa ny kandidà.
Hafampana ny toe-draharaha politika, manomboka anio. Ny indrokely, ny eny an-dapa fanaovan-dalàna. Ahoana tokoa ny fitsipika hifehy ny fivoriana? Kandidà ny ankamaroan’ny depiote am-perinasa. Iza izany no hivory dia iza no hanao fampielezan-kevitra? Raha ny lojika, tsy maintsy lohalaharana ny raharaham-pirenena. Raha ny fomba fisainan-dRamalagasy sy ny fitiavan-tenany indray: aleon-dry zalahy midina ifotony, mampandany tena.
Manoloana izany, ny vahoaka sy ny tanindrazana ihany no tratra farany e! Izy ireo ihany koa no mamono afo raha misy ny fahamaizana.

r.r

Partager sur: