Hetsika “Repoblika”: hivoizana ny demokrasia ny Hip-Hop

Kolontsaina sy soatoavina afaka voizina ho fiarovana sy fampiroboroboana ny demokrasia ny Hip-Hop. Izay no ezahina havoitra anatin’ny hetsika “Repoblika”, ny zoma izao.

“Ny Hip-Hop no hanavotra ny demokrasia?”. Anisan’ny lo­ha­hevitry ny loabary an-dasy anatin’ilay hetsika “Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy ny fahalalana”io. Hotontosaina ny zoma 10 mey izao izy ity, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny FDSP Ankatso. Ankoatra ny adihevitra isan-karazany, hisy fampisehoana “Repoblika”, izay hataon’ireo mpanakanto milomano anatin’ny tontolon’ny Hip-Hop amin’izao fotoana ihany koa mandritra izany.

Tanjon’ny hetsika ny ha­­nentanana ny tanora amin’ny maha zava-dehibe ny fanabeazana sy ny fahafahana anatin’ny demokrasia. Natao mba hanairana ny sain’ny rehetra ny hetsika, indrindra amin’izao vanim-potoana ha­ne­hoana sakantsakana matetika amin’ny fanehoan-kevitra izao. Natao mba handrisihana ny tanora handray andraikitra amin’ny resaka politika, sy hanandratra ary hiaro ny tena demokrasia eto Madagasikara izany. Hihodina amin’ny lohahevitra roa ny adihevitra. Ny voalohany mahakasika ny fahafahana ara-javakanto sy ny fahafaha-maneho hevitra. Ny faharoa ny famerenana ireo soatoavina manabe entin’ ny kolontsaina hip-hop.
Saika ireo mpanakanto mivondrona ao amin’ny Kolon­tsaina Mainty no hanatontosa ilay seho “Repoblika”. Lohate­nin’ny hira navoakan’izy ireo ny taona 2023 ihany koa io “Repoblika” io, izay manindrontsindrona anatin’ny tononkirany ireo heverin’ireo mpanakanto fa tsy mety anatin’ny fitantanana ilay Repoblika.
Manokatra ny toerana ho an’ny adihevitra sy ny fanehoan-kevitra amin’ny endriny rehetra, mba ho amin’ny fampiroboroboana ny demokrasia sy ny soatoavina voiziny ny fakiolten’ny lalàna sy ny haipolitika, eny amin’ny oniversiten’ Ankatso. Anisan’ny andraikitra voalohan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung ihany koa izay fampiroboroboana ny demokrasia izay, no mitodika kokoa amin’ ny tanora izy ireo. Ny Ko­lon­tsaina Mainty kosa efa nivohy ela izay fanabeazana anatin’ ny kolontsaina hip-hop izay, ka vory ny toko telo nahamasa-nahandro an’ity hetsika ity.

Zo ny Aina

Partager sur: