INDRAY MIJERY

Nanao tatitra ny faritra Analamanga fa mandeha tsara ary miasa haingana ireo orinasa manao ny asa fametrahana pavé ny lalana eny Ambohimiadana, Manjakandrina. 80 % ny asa no vita ankehitriny. Ny Faritra Analamanga dia mitaky hatrany kalitao tsara amin’ ireo asa izay sahaniny. Maneho hatrany ny fialantsiny noho ny fanelingelenana ho an’ireo mpampiasa lalàna noho ny asa fanamboaran-dalàna ny tomponandraikitra.
Natao omaly, teny Ivato, ny fisantarana ny
fanatanterahana ny asa fanamboarana ny “Cité des métiers et de l’artisanat” manakaiky ny Lake Village. Nodiovina ireo lobolobo ary hanomboka ny asa izay hovitaina amin’ny volana septambra ny andiany voalohany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Noraiketina, omaly, ny fanatanterahana ny
fiaraha-miasa eo amin’ny hopitaly CHU Fenoarivo sy ny Afafi (mutuelle de santé). Tanjona ny hanampiana ireo fianakaviana mpikambana ao manana marary tsaboina ao amin’ny hopitaly ka hanamaivanana ny saram-pitsaboana mitambesatra amin’izy ireo.
“Koloy hiaina ny maha olona”. Io no lohahevitra amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge, izay hatao etsy amin’ny Parvis Analakely, rahampitso. Hisy ny hetsika fanomezan-dra maimaimpoana, fitiliana ny diabeta iarahana amin’ny Amadia. Haseho ihany koa ny fihetsika sy ny fomba famonjena voina…

Partager sur: