ny tetikasa Kanto Manabe: mitohy amin’ny fianarana sary sokitra

Ny mahakasika ny sary sokitra indray no hiseharan’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), mandritra ity volana mey ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mizara dingana telo ny fanatanterahana izany. Voalohany ny fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manaraka izany ny fiparitahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo voaofana, eny amin’ireo sekolim-panjakana sy toeram-pitaizana ankizy maro samihafa. Ao anatin’izany no hiza­ran’izy ireo izay nampiofanina azy. Dingana famaranana ny tetikasa ny fampirantiana ha­ne­hoan’ireo ankizy eny anivon’ ny sekolim-panjakana, nampiofanin’ireo nilatsaka an-tsitrapo, ny talenta sy ny fahaiza-manaony azony. Tanjon’ny tetikasa ny hitaona ny ankizy ho liana amin’ny haikanto. Eo ihany koa ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny haikanto.
Fahombiazana no azo ilazana ny fampirantian’ny mpianatra, tao anatin’ny Tetikasa Kanto Manabe, teny amin’ny Lapan’ny tanàna, ny volana avrily teo. Sary vita amin’ny pensily hazo sy lokorano no nandravaka izany. Miditra amin’ny fanaovana sary sokitra indray ny tetikasa, manomboka amin’ity volana ity. Hita ao anatin’izany ny atrikasa fampianarana ny fototra mahakasika ny fanaovana sary sokitra. Fampirantiana hanehoan’ireo mpianatra voaofana indray no hamaranana ny tetikasan’ny Kanto Manabe,.

Lin

Partager sur: