TARATRY ny KANTO

Jimmy Harrison amin’ny ilay nahafantarana azy. Anjaran’ity mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany ity no mampiala voly etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Tsy misy tsy mihaiky ny talentany amin’ny famerenana hira vahiny sy malagasy, ary vao avy nihodina tany Frantsa niaraka tamin’ny tarika Gasy Band izy. Hihaona manokana amin’ireo mpankafy azy kosa izy amin’ity.
Nanomboka omaly, tao Belleville Paris, ny «Grand Poetry Slam», fiadiana ny amboara maneran-tany, eo amin’ny tontolon’ny «Slam poèsie». Anio no hiaka-tsehatra i Santa, izay misolontena antsika Malagasy amin’izany. Hisy ny hetsika hataony any Suisse, Belgique ary Allemagne, aorian’ity fifaninanana ity.
Nodimandry, ny alahady teo, teo amin’ny faha-79 taonany i Bernard Hill, Britanika mpilalao sarimihetsika. Sarimihetsika anisan’ny tena nahafantarana azy ny “Titanic”, izy izay nitana ny anjara asan’ny kapitenin-tsambo tamin’izany. Ankoatra izay, mpanao hatsikana ihany koa i Bernard Hill.
Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 jona 2024, eny amin’ny IFM Analakely, ny hetsika “Mikea”. Hetsika hanehoana sy hampahafantarana ny mahakasika ny foko Mikea. Fampirantiana, fandefasana horonantsary, velakevitra sy adihevitra manodidina io foko Mikea io no ho hita mandritra izany.

Partager sur: