Akaiky vilany feno arina

 

Mahoraka ary mbola arahin’ny mpanara-baovao akaiky ny mahakasika ny fanondranana antsokosoko ireo varika sy sokatra tany Thaïlande. Nanampy trotraka ny fahatrarana ireo mpanao trafika teny Ivato, afakomaly alina. Nihazakazaka izaitsizy ny fanjakana malagasy nandray andraikitra. Efa nisy ny olona voalaza fa voasambotra. Tsara ny ezaka saingy dia dokotera aorian’ny fahafatesana.
Tsy sanatria ho fandoto iray tandroka ka hanatsatso ny ezaka vita. Miezaka misintona lakolosy fotsiny, mba hisian’ny fandraisana andraikitra araka ny tokony ho izy. Tsy rehefa misy ny tsy fanarahan-dalàna vao samy hihazakazaka. Mila ny finiavana sy fahatsapan-tenan’ny herivelona rehetra ny fiarovana ny harem-pirenena. Tsy tokony ho olom-bitsy no hamotika ilay tanindrazana malala.
Vanim-potoana izao, iarahan’ny olon-drehetra mientana sy mifanohana ho amin’ny tombontsoan’ny besinimaro. Andro izao hanamafisana ny firaisankina ho amin’ny fampiharana ny lalàna manan-kery. Tsy ho vitan’ny mpiasam-panjakana irery, tsy ho vitan’ny mpanao politika nomem-pahefana. Mitaky ezaka avy amin’ny tsirairay, indrindra ny eny ifotony.
Mazava ho azy fa tsy mivoaka avy aty an-dRenivohitra fa tany anaty ala sy kirihitra voajanahary ny biby tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina na sambo ka handeha hampitaina ranomasina.
Mila olona sahy manontsana eny ifotony. Mitaky fitiavana ny natiora sy fitiavan-tanindrazana avy any ambaniravinahitra rehetra any. Ao anaty vahoaka no mivoaka ny olon-dratsy. Tsy maintsy ny vahoaka ihany no tomponandraikitra voalo­hany. Izy ireny no akaiky vilany feno arina. Mahalala ny « faha­valom-pirenena » mendrika ny hofaizina.
Voasoroka mialoha ny fahafaham-baraka sy henatr’olona any ivelany raha miara-mientana ny Malagasy tsivakivolo. Tsy ilaina ny fifanjanana sy ny andraso andraso!

r.r

Partager sur: