“Artquake 13” : hisolontena an’i Madagasikara i Clipse Teean

Tanterahina ao amin’ny Nigde Art Gallery Cappadoce, Turquie, ny 18 mey 2024, ny “Artquake 13”. Fampirantiana iraisam-pirenena handraisan’ireo mpahay kanto manana ny maha izy azy isaky ny firenena hivoizana ny lohahevitra “To be a child in Africa”. Ny mahakasika ny fiainan’ny ankizy aty Afrika no resahina sy haranty mandritra ity hetsika ity. Anisan’ny voafantina hiatrika izany Raoilison Mbo­latiana, fantatra amin’ny anarana Clipse Teean, eo amin’ny sehatry ny haikanto. Tan­jon’ny hetsika ny haneho ny zava-misy mihatra sy iainan’ny ankizy aty Afrika, amin’ny alalan’ny haikanto. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra sy fampiroboroboana ary fampivelarana ny haikanton’ireo mpahay kanto mandray anjara. Hiompana amin’io lohahevitra io avokoa, araka izany, ny hetsika samihafa, mandritra ny “Artquake 13”. Ho hita mandritra izany ny fampirantiana sary sy haikanto maro. Eo ihany koa ny velakevitra sy adihevitra, izay hifantoka amin’ny lohahevitra ihany koa. Amin’ny ankapobeny, ny fiainan’ny ankizy aty Afrika mihitsy no horesahina sy haranty ao. Tsy ny fijaliana sy fahasahiranana ihany fa ny mampiavaka azy sy ny maha izy azy koa. Anisan’izany, ohatra, ny kolontsaina sy ny fahaiza-manao ary talenta manokan’ny ankizy Afrikanina.

Lin

Partager sur: