FIRENENA JAPONAIS : vary 1 662 t natolotra ny Pam

Natao omaly, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny vary milanja 1 662 taonina, izay mitombam-bidy 1,4 tapitrisa dolara, avy amin’ny masoivoho japoney ho an’ny fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny sakafo, Pam.
Hanampiana ireo olona niharan’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gamane farany teo, any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, ny fanomezana. Manampy izay, hatolotra ireo mponina any Atsimo Andrefana sy Atsimo Atsinanana izay iharan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ihany koa.
Nanolotra ny vary ny masoivoho Japonais, TakakuYoshiki, tany Fort Dauphin, omaly. Nandray izany kosa ny avy amin’ny Pam, Outman Badaoui.
Nankasitraka ny tolo-tanana ataon’i Japon amin’ny fanohanana ara-tsakafo ho an’ireo olona marefo noho ny rivodoza sy ny loza voajanahary ny Pam. Fanamafisana rahateo ny firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta izany.
Ny tohana ataon’i Japon dia hitondra vokatra tsara amin’ ny fiahiana ireo mponina any Atsimo. Ny herinandro ambony teo, nandritra ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny japonais, nanamafy ny firaisankina amin’i Madagasikara ny tenany amin’ny fanampiana ireo olona marefo.

Tatiana A

Partager sur: