fisotroan-dronono : hanomboka amin’ny zoma ny fizarana

Mitohy ny tetiandro fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eny amin’ny sampandraharaha mitsinjara izany. Ho an’ny eto Analamanga, hanomboka ny zoma 10 mey izao ny fizarana, eny amin’ny perceptions principales (PP), trésorerie principale (TP), trésorerie principale inter-communale (TPIC).
Anjaran’ny manana laharana miafara amin’ny 0, 1, 2 no mahazo ny vola fisotroan-dronono amin’ny zoma izao. Miato kely ny fizarana ny faran’ny herinandro. Mitohy ny alatsinainy 13 mey izany ho an’ny laharana miafara amin’ny 3, 4, 5. Anjaran’ny manana laharana miafara amin’ny 6, 7, 8, 9 kosa ny talata 14 mey. Ireo manana laharana miafara amin’ny A, B, C, D, E indray no mahazo ny anjarany, ny alarobia 15 mey. Manomboka ny alakamisy kosa vao mandray ireo mitondra taratasy fanomezan-dalana haka izany manokana sy ireo taraiky.
Ho an’ny eny amin’ny paierie générale d’Antana­narivo (PGA) sy ny recette générale d’Antananarivo (RGA) eny Antaninarenina kosa, ny zoma no maka ny azy ireo manana laharana miafara amin’ny 0, 1, 2, 3, 4, 5. Ny alatsinainy manaraka an’io ny manana laharana 6, 7, 8, 9, A, B. Mitohy ny talata izany ho an’ny laharana miafara amin’ny C, D, E.
Tsy miova ny fitsinjarana ny lamina ho an’ny any amin’ny faritra fa kosa ny daty fiandohan’ny fizarana no mety hiova raha ny tatitry ny Tahirimbolam-panjakana.

Tatiana A

Partager sur: