INDRAY MIJERY

Mankalaza ny faharoa taona nijoroany ny fikambanana ivondronan’ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny Nosy, SPSM. Mpiasan’ny fahasalamana miray hina anatin’ny fahasamihafana no entin’izy ireo manamarika izany. An’aliny ny mpiasan’ny fahasalamana anatin’ny SPSM.

Anjaran’ny ankizy indray no hisitraka fampianarana tsotra mahakasika ny fitondrantena manoloana ny toe-tena diabetika, izay atao ny sabotsy izao, eny amin’ny Amadia Faravohitra. “Ny diabeta sy ny fanatanjahantena” no lohahevitra voizina amin’izany. Fizarana fahalalana sy torohevitra ho an’ny ankizy sy ny tanora no hataon’ny mpitsabo mandritra izany.

Ny 14 ka hatramin’ny 17 mey izao ny Herinandro hanatanterahana ny vaksiny hiadiana amin’ny aretina azo sorohina amin’ny alalan’ny vaksiny. Afaka misitraka izany maimaimpoana miaro amin’ny aretina lefakozatra avokoa ireo zaza sy ankizy rehetra latsaky ny 15 taona, manerana ny Nosy.

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny varavarana misokatra faharoa amin’ny tetikasa PIAA. Nisantatra izany ny Lycée Moderne Ampefiloha. Tanjona ny hanentanana ireo mpianatra amin’ny fanajana sy fikoloana ireo fananana iombonana, ireo fotodrafitrasa naorina sy nohavaozina ary hitandro ny fahadiovana.

Partager sur: