JMCJ andiany faharoa : hasongadina ny fahaiza-manaon’ ny tanora misehatra ambanivohitra

Hotanterahina any amin’ny faritra Boeny ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora (JMCJ), ny volana jolay izao. Teto Antananarivo ny andiany voalohany.

Hiompana amin’ny fahaiza-manaon’ireo tanora amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, any ambanivohitra, ny andiany faharoa amin’ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora, amin’ity taona ity. Hampiantrano izany ny faritra Boeny. Sehatra hitrandrahana ny fahaizan’ireo tanora ambanivohitra mifototra amin’ny fanatsarana vokatra, amin’ny alalan’ny fampiasana teknika maro samihafa no hisongadina amin’izany.
Raha ny atontanisa dia ny 81,6% ny mponina afaka miasa dia any ambanivohitra avokoa ka ny 31,4% amin’izy ireo dia tanora latsaky ny 25 taona ary ny 2% ihany no nandalo fianarana ambony.
Minisitera telo no hiahy ny JMCJ andiany faharoa, ka anisan’izany ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana, ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, ary ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa.
Hatao ny zoma izao ny fivoriana voalohany hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka sy amin’ny faritra handray ny hetsika. Hisy ny fananganana komity mpikarakara sy hamaritra ny asa ho atao.
Niompana tamin’ny fizarana asa na stage professionnel ny lohahevitry ny JMCJ tamin’ny taon-dasa. Tanora miisa 150 tamin’ireo 350 nangataka no nahazo valiny mahafapo teo no ho eo.
Nilaza ny sekretera jeneraly eo anivon’ny faritra Boeny, tsy izy ireo hanateran-javatsoa ho an’ny tanora any an-toerana indray no handaka fa vonona hampiantrano ny hetsika. Milofo amin’ny fitadiavana lalan’asa ho an’ny tanora rahateo ny tarigetra.
Marihina fa avy amin’ny fangatahan’ny Entreprendre à Madagascar, izay tarihin’ny tale jeneraliny, Tojo Yha­ri­manana, nandritra ny fihaonana ny alatsinainy teo, no niresahana mahakasika ity JMCJ hatao any Boeny ity.

Tatiana A

Partager sur: