« Redombe Bagasy » : hira 37 hokaloina eny an-tsehatra

Tao anatin’ny taona maro, tsy mbola nisy fampisehoana lehibe tahaka ity eo amin’ny tontolon’ny bagasy. Ampahany maneho izany ny isan’ny mpihira handray anjara. Ny fifantenana ireo hira hokaloina, sns.

Mahalana vao ahitana hetsika lehibe natokana ho an’ny bagasy ra­noiray tahaka ity. «Redombe Bagasy», fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny tolakandron’ny sabotsy 25 mey ho avy izao. Mari-pamantarana lehibe maromaro no ahafahana milaza fa lehibe tokoa ny «Redombe Ba­gasy». Volana maro no efa nahafantarana ny fisiany sy nanomanana azy tamina famerenana matetitetika. Mahatratra 40 any ho any ny mpandray anjara sy hifandimby eny an-tsehatra. Amin’ny ankapobeny, ireo tarika andrarezin’ny bagasy avokoa no hanatontosa ny seho. Anisan’izany ny tarika R’Imbosa, Angola Itokiana, Aro kalon’ny fahiny, Angolan’ Imerina, sns. Ireo andrarezina amin’ny fitendrena piano (Mbosa, Liva, Tantely, Ma­my…) ihany koa no hanaraka azy ireo. Hira 37 no hokaloin’izy ireo amin’izany. Ao ny “Haody ry Analamangako”, “Avia isika hiara-dia”, “Iarivo mirehitra jiro”, “Ny eo anilanao”, “Ambarambarao”, “Ma­ha­tsiahy”, sns. Hisy koa ireo hira hiarahan’ny rehetra mikalo. Hisongadina amin’izany ireo hira hoenti-manokatra ny sehatra sy ireo hamaranana ny seho.

Mila velomina tsy miato
Ezaka lehibe no ataon’ny Sehatra Bagasy amin’ny fanomanana sy fanatontosana ny « Redombe Bagasy ». Anisan’ ny nandia fotoan-tsarotra na­haritra mantsy ny tontolon’ny bagasy teo amin’ny fampahafantarana sy fampivelarana ary fampitiavana azy. Vokany, sokajian’ny tanora ho hiran’ireo raiamandreny izy io. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, anefa, azo hirain’ny rehetra ny bagasy. Mana­marina izany ny fisian’ireo tanora mihira azy io ao anatin’ny « Redombe Bagasy ». Anisan’ny mampiavaka ny bagasy ny fananana tononkira mitaiza, manabe ho olom-banona, sns. Feo tsotra sy mazava (feo voajanahary tsy amboamboarina) no takina amin’ny fikaloana izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: