« Tiako i Neny » : hatao an-tsehatra ireo hira miresaka ny reny

Misy hira 35 eo ho eo hatreto no voaangona. Hira malagasy miresaka ny lohahevitra manodidina ny fitiavan-dreny sy izay mahakasika ny reny ireo. Ireny no hofohazina ka entina an-tsehatra mandritra ilay fampisehoana “Tiako i Neny”, hotontosaina etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 26 mey, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Hifarimbona an-tsehatra hamelona izany ry Voahirana, Lilie, Farakely, Gothlieb ary Mahery. “Tsy misy hira tsy fantatra ao fa hira be mpankafy avokoa no alahatra. Tena natao ho fehezam-boninkazo ho an’ireo renim-pianakaviana mihitsy, satria fetin’ny reny io andro io”, hoy ny nambaran-dry zareo mpikarakara ao amin’ny LH Pro.
Efa nisy ny tamba-kira navoaka rakitsary, izay nanehoan’ireto mpanakanto ireto ny santionany amin’ireo hira izay alahatr’izy ireo amin’io fampisehoana io. Fehezam-boninkazo ho an’ny reny, saingy natao ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fampisehoana, raha ny fanazavana hatrany.

Zo ny Aina

Partager sur: