« Coupe du monde de Slam »: hiatrika ny dingan’ny manasa-dalana, anio, i Santa

Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny solontenantsika malagasy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, eo amin’ny “Slam poèsie”. Mpiangaly Slam kalaza, manerana izao tontolo izao no mifaninana amin’izany. Mipetraka hatrany anefa ny tanjona ho an’ity solontenan’ny Malagasy ity.

Tanterahina anio manomboka amin’ny 7 ora sy 30 minitra, ora any Paris Frantsa, ny manasa-dalana, andiany faharoa, eo amin’ny “Grand Poetry Slam”. Fifanina­nana hiadina ny amboara ma­neran-tany, eo amin’ny “Slam poèsie”. Anisan’ny miatrika izany manasa-dalana izany i Santa, izay misolontena an­tsika Malagasy. “Ekena fa efa anisan’ny zava-dehibe ny fandraisan’anjara amin’izao fifa­ninanana izao, indrindra ny nahatongavana amin’ny dingan’ ny manasa-dalana. Na izany aza anefa, ezahina hatrany ny hanatratra ny tanjona nape­traka sy hanatsara ny zavabita hatramin’izay”, hoy i Santa.
Mitohy hatrany ny dia ho an’i Santa, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, eo amin’ny “Slam poèsie”. Miisa enina izy ireo no hiray sehatra ao anatin’izay manasa-dalana andiany faharoa, ao anatin’ity fifaninanana ity, izay. Anisan’ izany i Tatii­shka avy any Mali, Miki Sakamoto avy any Japon, Alfonso Paso avy ao Espagne, Noferima avy any Côte d’Ivoire, Jorath avy any Congo ary Santa avy eto Madagasikara. Raha tsiahivina, efa tontosa omaly ny manasa-dalana, andiany voalohany, raha ity anio ity ny andiany faharoa.
Amin’ny tenim-pirenen’ireo mpifaninana no anaovany ny fandraisany anjara mandritra ny fifaninanana. Tsy maintsy asiana amin’ny dikan-teny Anglisy sy Frantsay kosa anefa izany, araka ny fepetran’ny fifaninanana. Indroa miaka-tsehatra ny mpifaninana, isaky ny dingana. Efa nalefa tany amin’ny mpikarakara mialoha ny lahatsoratra entin’ny mpifaninana tsirairay mandray anjara. Antenaina, araka izany, ny hiakaran’i Santa, eo amin’ny dingan’ ny famaranana ary handrombahany izany amboara maneran-tany izany. Raha tsiahivina, teo amin’ny dingan’ny famaranana i Hichim, izay nisolontena antsika, ny taona 2023, vao resy.

Lin

Partager sur: