Croix Rouge: mifototra amin’ny fiahiana ny maha olona

Nomarihina ny alarobia teo, tetsy amin’ny Parvis Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rou­ge sy ny Croissant Rouge. 61 taona no nijoroany teto Madagasikara (1963-2021).
“Koloy hiaina ny maha olona”, io ny lohahevitra no­voizina nandritra ny fankalazana. Nanasongadinana in­drindra ny sehatry ny maha olona sy ny firaisankina ny hetsika izay mifandray indrindra amin’ny andry voalohan’ ny politikam-panjakana rahateo.
Naneho hatrany ny fahavononany amin’ny fiahiana ny maha olona ireo mpilatsaka an-tsitrapo miara-miasa amin’ny Croix-Rouge malagasy. Nampianatra ny fanaovana vonjy aina raha misy loza izy ireo. Nisy ny fijoroana vavolombelona nandritra ny asa famonjena aina …
Maro ireo tranoheva naneho ny asa efa nataon’ny Croix-Rouge sy ny fitantanana ny loza eny ifotony, fiahiana ara-pahasalamana, hetsiky ny tanora, asa an-tsitrapo…
Nisy ihany koa ny fitiliana ny diabeta maimaimpoana sy fanomezan-dra nisokatra tamin’ny rehetra.
Mpiara-miasa akaiky amin’ny BNGRC rehefa misy loza mitranga ny Croix-Rouge ary izy ireo no matetika hita eny an-tsehatra sy fantatry ny rehetra.
Mpirotsaka an-tsitrapo ma­nolo-tanana mandritra ny fisiana loza voajanahary na loza mihatra mandritra ny fihetsiketsehana no tena manamarika ny Croix Rouge.

Tatiana A

Partager sur: