Fampiasana drône: olona an-tapitrisa no misitraka fanafody

Nomarihina tamin’ity herinandro ity ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny drône. Eto amintsika, efa fitaovana famatsiana fanafody manaraka ny teknolojia haingana sy azo antoka izy io, indrindra any amin’ireo toerana tsy tongan’ny fiara sy saro-dalana. Hatramin’ny volana septambra 2019, tamin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, afaka nifandray tamin’ireo olona maro any ambanivohitra ny PSI Madagascar.
Faritra 5 eto Madagasikara no hampiasana drône hamatsiana fanafody. Anisan’izany Analanjirofo, Atsinanana, Sava, Sofia ary Melaky. Distrika 15 ary toeram-pitsaboana miisa 197 no misitraka ny fampiasana izany.
Manodidina ny 4 700 ny famatsiana efa vita ary 500 000 km no efa vita. Karazany maro ny kojakoja ara-pahasalamana entin’ny drône, toy ny vaksiny, fanafody iadiana amin’ny tazomoka, fanafody fandrindram-piterahana, kojakoja hiatrehana ny fiterahana sy ho an’ny zaza vao teraka ary ny fitsaboana ny aretina VIH/Sida sy ny raboka. Maherin’ny 2 300 000 ireo olona mahazo fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana vokatry ny fampiasana io fitaovana maoderina io.

Tatiana A

Partager sur: