Gadona Hip Hop; tanterahina anio ny « Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy fahalalana”

Tanterahina anio, eny amin’ ny Oniversite Ankatso, ny he­tsika « Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy fahalalana ». Hetsika ara-kolontsaina, iarahana amin’ireo mpanakanto miangaly ny gadona Hip Hop, mivondrona ao anatin’ny fikambanana Kolon­tsai­na Mainty. Fampise­hoana iara­hana amin’ireo mpanakanto, valandresaka arahina adihevitra, iresahana ny lanjan’ny “Hip Hop” no handravaka ity hetsika ity. Tanjon’ny hetsika ny hanentanana ny tanora amin’ny maha zava-dehibe ny fanabeazana sy ny fahafa­hana anatin’ny demokrasia. Natao mba hanairana ny sain’ ny rehetra ny hetsika, indrindra amin’izao vanim-potoana hanehoana sakantsakana ma­tetika amin’ny fanehoan-kevitra izao.
Mialoha ny fampisehoana lehibe, hisy ny valandresaka arahina adihevitra, iresahana ny lohahevitra “Le Hip Hop à la rescousse de la démocratie ?” (mety ho fanavotana ho an’ny demokrasia ve ny Hip Hop?). Handray anjara amin’izany i Bôlô, Mashmanjaka ary Ra­tsimba Tahiry, izay samy mpanakanto miangaly ny “Hip Hop”. Eo ihany koa Rakoto­manana Andrianjaka, mpampianatra mpikaroka, Damy Govina, mpanao gazety, Hilda Hasinjo, mpisehatra politika ary Andriafanomezana Hailey.

Lin

Partager sur: