INDRAY MIJERY

Hisy fandidiana maimaimpoana iarahana amin’ ny ONG Enfants du monde ao amin’ny hopitalibe Antsiranana, ny 21 hatramin’ny 24 mey ho avy izao. Aretina mahazo ny tarehy sy ny tenda no hodidina amin’izany. Mila manao fizaham-pahasalamana mialoha ny 13 hatramin’ny 17 mey, ao amin’ny CHUPKA (Bureau des consultations externes), isaky ny maraina, izay hisitraka izany.

Manohy ny asa fanadiovana lakandrano ny Apipa. Nanombohana izany ny teny Andranobevava, Marais Masay…hatreny Besarety. Nitohy teny Anosy sy Ambodimita mba hahafahana misintona ny rano avy amin’ny canal C3 sy Andriantany. Fiomanana sahady amin’ny fiavian’ny fahavaratra amin’ny taona ho avy izany.

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo entana miisa 52 avy amin’ny Unicef. Ahitana fanafody sy fitaovana entina hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara ny tolotra.

Hisy hetsika ara-pivavahana izay hanamasinana ho eveka ao Miarinarivo, ny faran’ny herinandro. Hitombo, araka izany, ny fivezivezen’ny fiara hihazo iny faritra Itasy iny. Nanentana,noho izany, ny ATT mba ho fiara efa za-dalana sy mpamily efa za-draharaha no hitatitra ny olona mankany. Mila ara-dalàna ny lafiny teknika sy ny antotan-taratasin’ny fiara.

Partager sur: