Misolo vaika ny ankalana

 

Handeha fampanoavana anio ny mahakasika ireo olona voalaza fa nanondrana biby voarara any ivelany. Mihazakazaka ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Efa nisy ny Malagasy eto an-toerana, izay voalaza fa mpiray tsikombakomba,voatazona nandritra ny andro maro­maro eny amin’ny trano figiazan’ny mpanao famotorana.
Raha ny tsiliantsofina mandeha anefa, mbola ny trondro madinika no voasambotra. Misy aza ny olona mety ho voatondro molotra fotsiny, atao misolo vaika ny akalana. Mazava be anefa fa tsy maintsy ho olona ambony ary manampahefana goavana no tao ambadik’ireny. Sanatrian’ ny vava noho ny fahamaizana ka hisy ny tsy manan-tsiny hiditra am-ponja.
Ekena fa heloka goavana sy azo sokajiana ho fahavalom-pirenena ny mpanondrana ny harena voajanahary tahaka izao saingy tsy hirotorotoana ny fikarohana ny tena marina. Tsy tokony ho baikoin’ny tsindry sy ny ramatahora ataon’ny fikambanana isan-tsokajiny ny fanadihadiana. Tsy natao hanadiovan-tena ny fandotoana na mety ho fanim­bana ny hafa izany.
Zava-dehibe sy maha te hidera ny fandraisana andraikitra haingana anaty hamehana. Ratsy be sy manimba endrika ny fitondrana koa anefa ny fihazakazahana tratry ny miadana. Mila fahamalinana sy fitandremana ny mahakasika ny fandikan-dalàna tahaka itony. Tombony ho an’i Madagasikara rahateo ny maha anisan’ny mpanao sonia ny fifanarahana “Cites” an’i Thaïlande. Hanampy amin’ny famotorana sy hampivoaka ny marina.
Mbola ho lava rahateo ny fanadihadiana satria tsy misy tokony ho afa-maina. Mila midina ifotony ny tomponandraikitra mijery ny toerana nakana ny varika sy ny sokatra. Tsy maintsy miakatra ambony dia ambony koa mitady izay mpamoaka izany antsokosoko. Tsy tokony hisy ny tombo sy hala fa izay vandana dia kary. Tsy rariny raha misy ny olona madio no sanatria hibaby ny heloky ny hafa?

r.r

Partager sur: