TARATRY ny KANTO

Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny
12 mey 2024, eny amin’ny SMaK Imaitsoanala Ambohi­­man­gakely, ny “Irie festival” andiany fahatelo. Hetsika manasongadina sy manome sehetra ireo mpiangaly ny gadona “Reggea” eto Madagasikara. Fampisehoana sy fizarana ary fifampizarana eo amin’ny samy mpankafy “Reggea” no andravaka ny hetsika.

Le Pavé Antaninarenina. Handray fiarahana hafa­kely ny toerana, anio alina. Bekoto Mahaleo, arahin’i
Silo eo amin’ny zavamaneno. Hatreo, efa nisy matetika, taloha. Fantatra kosa fa mbola ho avy hanatevina ireo andrarezina ireo i Mahery ao amin’ny tarika Johary, izay fantatra amin’ny fifehezany ny feo sy ny talentany mamerina feon’olona hafa. Malalaka kokoa ny fandaharan-kira ho an’ireo mpanakanto kalaza tafaraka ireo.

« Ny bagasy, kolontsaina sa gadona? » Loha­hevitra azo antoka fa hahaliana ny maro, no hovelabelarin’ireo nandalina izany, anio manomboka amin’ny 09 ora maraina, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Hizara fahala­lana, mandritra izany, i Mbola Rabenasolo, mpikambana ao amin’ny Ataum zokiny, mpitendry piano bagasy ary nandalina momba izany. Eo koa Ramorasata Olivier, mpampianatra mpikaroka mozika, mpitendry; sns.

Niamboho, teo amin’ny faha 83 taonany, ny Printsy Kamamy Magloire, Ampanjakan’ny Sakalavan’i Menabe. Ny taona 2018 no nametrahana azy ho mpanjakan’i Menabe. Manam-pahefana sy olom-panjakana maro no efa niara-niasa taminy nandritra ny fahavelo­many. Anisan’izany ny naha mpanolotsaina ny filoha Ratsiraka Didier azy.

Partager sur: