Handball – IHF Trophy zandriny: firenena dimy hiady izay ho lohany

Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina eto Ma­dagasikara manomboka ny talata 21 ka hatramin’ny alahady 26 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy zandriny lehilahy, “cadet” sy “junior” na ny “IHF Trophy”. Firenena dimy hiady izay ho lohany amin’izany dia i Madagasikara mpampiantrano, i Comores, i Mau­rice, i La Réunion ary i Seychelles.

Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity satria hisolo tena ny faritra fahafito amin’ny “IHF Trophy continental”, izay voalohany eo. Zava-dehibe ho an’ny federasiona malagasy ny mampiantrano fanindroany ity lalaom-paritra ity. Tombiny ho an’i Madagasikara rahateo ny milalao eto an-tanindrazana. Raha tsiahivina, efa nandray izany ny Malagasy ny taona 2022 saingy ny sokajy “junior” lehilahy ihany. Norom­bahin’ny Malagasy ny amboara, tamin’io. Efa vonona ny Akio de Madagascar hiatrika izany amin’ity. Ao anaty fampivondronana farany ireo mpilalao 19 mirahalahy “cadet” sy “junior” amin’izao fotoana izao. Mety ny alahady 19 mey izao no hivoaka ny lisitry ny mpilalao 14 handrafitra ny Akio de Madagascar, ho an’ireo sokajy roa ireo.
Tsiahivina fa hatao ny alatsinainy 20 mey ny fivoriana teknika sy ny antsapaka hahalalana izay ekipa iray vondrona amin’ity “IHF Trophy” zandriny ity.

Tompondaka

Partager sur: