Fety Pantekoty : telo maty, 128 nizaha fahasalamana

Olona telo no maty nandritra ny fankalazana ny Pantekoty teo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, hatramin’ny omaly nanoratana. Faty avy any ivelany ny roa tamin’ireo raha toa ka namoy ny ainy teo anivon’ny hopitaly ny iray. Olona 128 nandalo nizaham-pahasalamana. Vokatry ny ady sy herisetra, olona 35 nandalo teo anivon’ny hopitaly. Naherin’ny 25 kosa ireo nandalo teo anivon’ny sampana vonjy taitra. Fisotroan-toaka be loatra avokoa no nahavoa ny ankamaroan’izy ireo. Nananika ny 33 isa ny lozam-pifamoivoizana nitranga nandritra ny fety. Marihina, nampitombo isa ny polisy nisahana ny fandrindrana ny fandriampahalemana teny an-kianja ny polisim-pirenena sy ny zandarimaria nandritra ny fankalazana ny fety.

Tsiferana R.

Partager sur: