Motocross Mada 2024 : voalohany i Claudio Tida

Notanterahina tany Manakara, ny alahady 19 mey lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Motocross, dingana fahenina. Raha ny sokajy elita “MX 1”, mbola i Claudio Tida, Malagasy mpilalao Motocross, indray no laharana voalohany tamin’ity. Teo amin’ny faharoa kosa i Mathias Plantive, ary fahatelo i Preve Marco.
Tsiahivina fa nandritra ny dingana fahadimy an’ity fifanintsanana nasionaly ity, azon’i Claudio Tida, ny laharana voalohany. Faharoa, i Mathias Plantive ary fahatelo, Rakotoari­manana Randy. Lasa fahefatra i Randy, tamin’ity fahenina ity. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fifanintsana sokajy hafa. Anisan’izany ny sokajy zokiny “Vétérants 1”, izay nanjakan-dRazafimahefa Tsirava, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Moto (FMaM) teo aloha. Nandresy teo amin’ny “vétérans 2”, i Makboul Tarzan.
Raha ny fandaharam-potoan’ny Federasiona FMaM, aorian’ity lalao ity, hotontosaina any Ilakaka, ny 23 jona 2024, ny “Grand prix d’Ilakaka MX des saphirs”.

F.R

Partager sur: