INDRAY MIJERY

Nitsidika ny trano fitahirizana fanafody vatsian’ny fanjakana amerikanina, amin’ny alalan’ny programa Usaid/Impact, ny tomponandraikitra ao amin’ny masoivohon’ity firenena ity. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitsinjarana vaksiny sy fanafody ara-potoana any amin’ireo distrika lavi-toerana, ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny Malagasy, izy ireo.

Namangy ny oniversiten’ i Fianarantsoa ny masoivohon’i China. Nijery ny fiaraha-miasa azo atao hampandrosoana ny fianarana ao an-toerana ny tenany. Taninketsan’ny olomanga ny oniversite raha ny teny sinoa no ilazana azy, hoy ny filohan’ny oniversite. Efa nahazo fankatoavan’ny Institut Confucius foibe ny hizaka tena ny Institut Confucius ao.

Nifarana ny herinandro teo ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo olona manana fahasembanana. Niarahana tamin’ny CRMM Antsirabe sy ny fikambanana Croph ary ny minisiteran’ny Mponina ny hetsika. 513 ireo nanaovana fanaraha-maso raha 1 200 no nandrasana. Manodidina ny 1 400 kosa ireo mpikambana tokony hanaovana izany isan-taona.

Nodinihin’ny minisiteran’ny Fitaterana, niaraka tamin’ny Pam, ny fanatsarana ny fotodrafitrasam-pitaterana. Tafiditra anatin’izany ny seranam-piaramanidina madinika ao Ampanihy sy Ambovombe. Iankinan’ny fivezivezena atao amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny lalana sy ny seranana tsara.

Partager sur: