« Miss&Mister Malagasy » : hanao asa soa eto Madagasikara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tana Hotel Antaninarenina, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampafahantarana ny « Miss& Mister Malagasy » sy ny manodidina izany. Amin’ity taona ity, Floriana Rasolo sy Andy Stephanie no voafidy ho mpandresin’ny fifaninanana. Izy ireo, araka izany, no misolo tena ny diaspora malagasy amin’ny asa soa ataon’izy ireo.
Fifaninanana ho an’ny Malagasy ao Eoropa ny “Miss & Mister Malagasy”. Misy isan-taona ny hetsika ary Malagasy tanora manodidina ny 30 no mandray anjara amin’izany. Manatanteraka asa soa eto Madagasikara, misolo tena ny diaspora malagasy ny mpandresin’ny fifaninanana. Ny diaspora izay mikarakara ity hetsika sy fifaninanana ity, entina mitsinjo ny mpiray tanindrazana, indrindra ny mpianatra. Maro ny hetsika entina manangona sy mitady izay vola izay. Ary hatolotra tanteraka ho an’ny asa soa eto Madagasikara ny vola azo amin’izany.
Fanolorana fitaovam-pianarana, fampitaovana sekoly. Ireo no asa fanaon’izy ireo. Ho an’ity taona ity. Antsirabe sy Morondava no hisitraka izany fanampiana izany.

Lin

Partager sur: