Tsipy kanetibe : fantatra ireo hanao ny «Masters 2024»

Tontosa ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 mey lasa teo, tany Antsirabe, ny fifantenana ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny «Masters 2024» any Frantsa. Voafantina amin’izany, Rafanomezantsoa An­driamahazo Haja (Ny Havana) sy Andrianjaka Jean Michel (Tselonina) ary Rama­nantiary Faralahy Urbain Joseph (Baloty), miampy an-dRazafimahatratra Herilan­tosoa. Mpilalao efa fantatra avokoa ary manana ny fahaiza-manaony izy ireo.
Samy sangany ireo mpilalao rehetra nanaovana fifantenana. Masontsivana notakina tamin’izy ireo ny fahaizana, ny fitsipi-pitondrantena, ny faharetana amin’ny lalao ho atao, ny tanjaka ara-batana, ny toe-tsaina ary ny fahaiza-miaina. Raha tsiahivina, hanomboka ny 26 jona ho avy izao, any Frantsa, ity fifaninanana ity ary haharitra hatramin’ny 9 septambra 2024. Tanàna efatra no hanatontosana izany ka ny dingana voalohany no hatao ao St Gille-Croix de Vie, ny 26 sy 27 jona. Any Nevers ny dingana faharoa, ny 21 sy 22 aogositra. Ao Romans-sur-Isères ny fahatelo, ny 27 sy 28 aogositra ary ao Saintes-Maries-de-la-Mer ny fahefatra, ny 8 sy 9 septambra, hanaovana ny «final tour». Voatery nohafohezina ity fifaninanana ity, noho ny fisian’ny lalao Olympika any an-toerana. Tsiahivina fa hiady lohany amin’izany ny ekipan’i France 1 sy 2, miampy ny Wild card ary i Madagasikara.
Ankoatra izay, voafantina hanao ny «tournée Estivale», Ralison Heritiana (Radoko), Andrianiaina Christian (Nanou), Rakotondrainibe Jean François (Zigla) ary ny mpilalao fiandry, Rakotoniaina Faratiana (Tiana Kely).

Tompondaka

Partager sur: