Mois : mai 2024

Fandraharahana : Start-Up valo misitraka famatsiam-bola hatramin’ny 5 000 dolara

Hisitraka famatsiam-bola hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara isan’olona ireo mpandraharaha valo mendrika indrindra. Amin’ny alalan’ny tetikasany izay mipaka mivantana amin’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ny tontolo iainana no nitsarana azy ireo. Miara-dalana ny sehatry ny fandraharahana sy ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Miantoka ny akora fototra […]

CSBII Analaiva: arahina ny fepetra fototra fandraisana ny marary

Zazalahikely herintaona sy 8 volana i Mananday. Nafana hoditra nandritra ny 3 andro izy, nalain-komana ary nandoa. Nanapa-kevitra nitondra azy tany amin’ny CSBII Ana­laiva ny reniny rehefa tsy nety niafana nandritra ny 3 andro ny fanaviany. Any amin’ny fokontany Andranovory Ta­retra, tanànan’i Fiofio, 12 km miala ny tobim-pahasalamana no misy […]

Ho an’ny traboina any avaratra atsinanana: nanolotra vary 11t sy menaka 900 l ny fanjakana sinoa

Noraiketina an-tsoratra ny fanampiana natolotry ny Sinoa ho an’ny Malagasy traboina vokatry ny fiovan’ny toetr’andro. Sakafo no natolotra omaly, teny Andrainarivo, ho an’ny vahoaka any avaratra atsinanana niharan’ny voka-dratsin’ny rivodoza Gamane. Nanolotra sakafo, vary 11t, 35kg sy menaka 900 litatra, ho an’ny olona any avaratra atsinanana niharan’ny tondradrano farany teo, […]