Mois : mai 2024

Vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro: lasa manaikitra aloha ny moka mitondra tazo

« Vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro dia miova manaraka izay koa ny fomba fiainan’ny moka. Lasa manaikitra atoandro kokoa ny moka tsy toy ny taloha », hoy ny tale misahana ny areti-mifindra, ny Dr Andriamino Brusa. Vao mihilana ny masoandro dia manomboka manaikitra ny moka. Nirongatra izany tamin’ny taon-dasa izay fotoana […]

Fahasalamam-bahoaka: mbola tena mamono olona ny tazomoka

Aretina fahatelo, mamono olona eto Madagasikara ny tazomoka. Misy ny paikady vao nohavaozina ho enti-miady amin’izany. Distrika 53 no tena mbola misy tazo. Notanterahina tao Morondava, omaly, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny tazomoka. Aretina fahatelo mamono olona indrindra eny amin’ny hopitaly manerana ny Nosy izy io ary faharoa […]

Fetin’ny Reny : omena « Fehezan-kalo » i Neny

Hafa tsy tahaka ny nahazatra! Sady fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy no fanomezan-kasina ny Reny. Hotoloran’ny Foibe fikarohana sy fampiofanana momba ny mozika « Valiha Académie » fehezan-kalo ny Reny rehetra. Tendren’izy ireo amin’ny valiha ka alefany ao anaty facebook izany. Avy amin’ny famelomana sy famerenana ary fampahatsiahivana (Cover) ny sanganasan’ireo andrarezin’ny hira […]

FANTINA sy FINTINA

Miofana eto Antananarivo ireo mpampiofana ny ho delegen’ny kandidà amin’ny birao fandatsaham-bato, amin’ny fifidianana depiote. “Mba hitovy ny fomba fiasa amin’ny fanisam-bato na famenoana ny antontan-taratasim-pifidianana ny anton’ny fiofanana”, hoy ny avy amin’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika. Hitohy any amin’ny distrika izany avy eo. Nampanantena ny eo anivon’ny Ceni fa […]