Mois : mai 2024

Hiarovana amin’ny polio: hanomboka anio ny fanaovam-baksiny faobe

Haharitra hefarana ny fanaovam-baksiny faobe, maimaimpoana, hiarovana amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy. Ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona ny fatra ho an’ity andiany voalohany ity. Hanomboka anio ary hifarana ny zoma 17 mey, ny fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra, ho an’ny zaza sy ny ankizy latsaky […]

Vola 50 Ariary volamena : Jifaina amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny famarotana ilay vola 50Ar vita amin’ny volamena manamarika ny faha-50 taon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Afaka manjifa izany, amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar, ny rehetra amin’ny alalan’ny fisoratana anarana eny anivon’ny BFM. « Hanamarika ny tantaram-pirenena ny fametrahana ny vola volamena izay hanamarin-toerana sy hanome […]

Jirama: Tomponandraikitra 48 niakatra teny amin’ny Pac

Niverina niakatra teny anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac), omaly, ny raharaha maha voasaringotra ireo tomponandraikitra 48 eo anivon’ny orinasa Jirama. Voaro­hirohy tamina fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanararaotam-pahefana, firaisana tsikombakomba ary famotsiam-bola izy ireo. Anisan’ izany ny tale jeneralin’ny orinasa teo aloha miisa roa, Andriamanga Vonjy, Radanie­lina Rivo Herilala, ny tale kabinetran’ny orinasa, Rasami­manana Vonjy, […]

fizahantany: nivoaka ny tondrozotra

Firenena anisan’ny mahasarika mpizahatany i Madagasikara noho ny hakantony sy ny fananany ireo karazan-javamananaina isan-karazany. Napetraka ny tondrozotra ho an’ny fampandrosoana io sehatra io, nandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena tamin’ireo mpamatsy vola, ny zoma teo, tetsy Ambodivona. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny hampiroborobo ny sehatra eto Madagasikara, hametraka […]