Mois : mai 2024

TSELATRA

Mpangalatra telefaonina tao amin’ny tranombarotra iray, tao amin’ny fokontany Ambolo­madinika, Toamasina, niharan’ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona, afakomaly. Nilaza hividy telefaonina io lehilahy io kinanjo nentiny nandositra ny entana. Nifanenjehan’ny manodidina izy ka noraisim-potsiny. Hita faty natsingevan’ny ranomasina tao akaikin’Antaiby Vietnam, distrikan’i Sambava, ny lehilahy iray natelin’ny rano, afakomaly. Nifampita­diavan’ny […]

Nanao tifi-danitra ny zandary : olona roa maty nipitihan’ny bala

Maty tsy tra-drano ny olona mianadahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambi­na­nindrano Mahanoro, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Nisy alim-pandihizana nokarakarain’ olona iray tao an-toerana. Nanao fampisehoana ankalamanjana ny mpanakanto iray tamin’io fotoana io raha alim-pandihizana jiromena kosa ny alin’io. Olon-tsotra no nikarakara izany. Teo no nitranga ny olana noho ny tsy […]

Raindahiny amin’ny fanafihana… : maty voatifitra i Mangerisetroka

Nidonan-tsekotra! Tapitra hatreo ny tantaran’ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana fantatra amin’ny anarana hoe Rakotonanahary François de Charles na i Charles Be na koa i Mangerisetroka, araka ny fahafantaran’ny olona azy. Lavon’ny balan’ny zandary tao Anjeva Gara, ny alatsinainy teo izy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tompon’antoka tamina fanafihana tao Andramanonga, […]

Hasarotam-piaro namoa-doza : maty novelesin’ny rafilahiny tavoahangy ilay lehilahy

Niafara tamin’ny famoizan’aina ny fifandirana nisy teo amin’ny mpivady tao anaty trano fandihizana iray tao Antalaha, ny alin’ny alahady 26 mey teo. Rafilahin-drangahy ihany no namono azy. Maty tsy tra-drano voavelin’ny tavoahangy nataon’ny rafilahiny ny lehilahy iray tao Maromikotra, kaominina Ampahana, dis­trikan’Antalaha, ny alin’ny 26 hifoha 27 mey teo. Naka […]