Mois : mai 2024

Echec – “Bundesliga 2024-2025”: hiady ny tompondakan’i Allemagne i Fy Antenaina

Mitety ireo firenena misy fifaninanana goavana amin’ny lalaon-tsaina Echec, Rakotomaharo Fy Antenaina, amin’izao fotoana. Ankehitriny, tafiditra hiady ny ho tompondakan’i Allemagne “ Bundesliga”, amin’ny isan-tarika izy sy ny ekipany. Tsy mitsahatra ny mitondra avo ny voninahi- pirenena eo amin’ny taranja lalaon-tsaina Echec, Rakotoma­haro Fy Antenaina. Fantatra ary izao fa anisan’ […]

Antenimierampirenena : haka fanapahan-kevitra momba ny propangady

“Raha ny antontanisa tso­tsotra, ny ankamaroanay so­lombavambahoaka dia samy mirotsa-kofidina avokoa. Saika ohatra an’izay koa ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ireo solombavambahoaka tsotra, ireo filoham-baomiera…”. Io ny nambaran’ny filoha mpisolo toerana vonjimaika eny anivon’ny Antenimieram­pirenena, Rabenirina Jean-Jacques, manoloana ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoan’ny parlemanta hisokatra anio izay mifanindry amin’ny fampielezan-kevitra […]

Foloalindahy: manome lanja ny teny anglisy

Manome lanja ny fifehezana tenim-pirenena vahiny, ahafahan’ireo miaramila mivelatra amin’ny sehatra maro eo amin’ny famitana iraka marolafy, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fo­lo­alindahy. Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany, han­dalina izany ny avy eo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Filoha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, sy ireo miaramila mpitsabo ary mpiasa sivily ao […]

26 jona 2024 : hiavaka ny fanamarihana ny fetim-pirenena

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), Ampahibe ny fanomanana ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijo­roan’ny Foloalindahy… Ny minisitry ny Foloalin­dahy (MFA), ny Jly Sa­hi­velo Lala Monja Del­phin, no nitarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana hanomanana ny fetim-pirenena, 26 jona […]

Kolontsaina tia mandraharaha: mpianatra 200 mianadahy nahazo torohevitra

Miantoka ny famoronan’asa sy fitadiavam-bola maharitra ny tontolon’ny fandraharahana. Ilaina ny fanabeazana ny tanora hahay handraha­raha sy handray an-tanana sahady ny hoaviny hamantarany ny lalan-kizorany rahatrizay. Nizara ny kolontsaina tia fandraharahana tamina mpianatra kilasy faharoa, miisa 200 mianadahy, avy amin’ny Lycée Akamasoa, Père Pédro, omaly, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy […]