Antenimierampirenena : haka fanapahan-kevitra momba ny propangady

“Raha ny antontanisa tso­tsotra, ny ankamaroanay so­lombavambahoaka dia samy mirotsa-kofidina avokoa. Saika ohatra an’izay koa ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ireo solombavambahoaka tsotra, ireo filoham-baomiera…”. Io ny nambaran’ny filoha mpisolo toerana vonjimaika eny anivon’ny Antenimieram­pirenena, Rabenirina Jean-Jacques, manoloana ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoan’ny parlemanta hisokatra anio izay mifanindry amin’ny fampielezan-kevitra hanomboka rahampitso.
Noho izany, tsy maintsy hisy avy hatrany ny fivorian’ny birao maharitra anio, harahin’ny kaoferansan’ny filoha. Tsy maintsy hisy koa ny fivoriana itambarambe. Ny anton’izay: hifanarahan’ny rehetra ny fanapahan-kevitra raisina manoloana an’izay hoe tsy fa­hafahan’ny solombavambahoaka manatrika fivoriana izay, fa samy hanao fampielezan-kevitra any amin’ny distrika irotsahan’izy ireo tsirairay avy avokoa.
Inona ny fanapahan-kevitra manolona an’izay? Tsy mbola misy aloha hatramin’izao izay lahadinika voafaritra mialoha hoe tsy maintsy hatao. Na ny avy eo anivon’ny Antenimierampirenena izany, na ny avy any amin’ny mpanatanteraka izay tsy mbola tonga eo an-tanan-dry zareo. Raha misy ny lahadinika avy amin’ny governemanta, tsy maintsy entina eo amin’ny fivorian’ny birao maharitra sy ny fivorian’ny filoha ary ny fi­voriana itambarambe. Amin’ izany, ny besinimaro no mandinika sy manapaka izay hatao.

R. Nd.

Partager sur: