Anisan’ny firenena mahantra i Madagasikara. Tokony hihatsara anefa ny toekarena ho an’ny taona 2024-2026 raha omen-danja ny fampiasam-bola tsy miankina amin’ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo, sns. Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena, ny avrily 2024 teo, manodidina ny fahantrana aty Madagasikara. Tsy mihetsika manodidina ny 79,7% ny tahan’ny fahantrana ho […]
Mois : mai 2024
TARATRY ny KANTO
Jimmy Harrison amin’ny ilay nahafantarana azy. Anjaran’ity mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany ity no mampiala voly etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Tsy misy tsy mihaiky ny talentany amin’ny famerenana hira vahiny sy malagasy, ary vao avy nihodina tany Frantsa niaraka tamin’ny tarika Gasy Band izy. Hihaona manokana amin’ireo mpankafy […]
ny tetikasa Kanto Manabe: mitohy amin’ny fianarana sary sokitra
Ny mahakasika ny sary sokitra indray no hiseharan’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), mandritra ity volana mey ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mizara dingana telo ny fanatanterahana izany. Voalohany ny fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manaraka izany ny fiparitahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo voaofana, eny amin’ireo sekolim-panjakana sy toeram-pitaizana ankizy maro samihafa. Ao anatin’izany […]
Hetsika “Repoblika”: hivoizana ny demokrasia ny Hip-Hop
Kolontsaina sy soatoavina afaka voizina ho fiarovana sy fampiroboroboana ny demokrasia ny Hip-Hop. Izay no ezahina havoitra anatin’ny hetsika “Repoblika”, ny zoma izao. “Ny Hip-Hop no hanavotra ny demokrasia?”. Anisan’ny lohahevitry ny loabary an-dasy anatin’ilay hetsika “Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy ny fahalalana”io. Hotontosaina ny zoma 10 mey izao izy […]
Olan’ny rano sy ny fiovan’ny toetr’andro : vahaolana ny fametrahana fitahirizan-drano sy tohodrano manerana ny Nosy
Mbola misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro sy ny rano i Madagasikara hatramin’izao, raha ny zava-misy. Manana anjara goavana hamahana ny olana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana. Mbola ambany ny fanomezan-danja ny ady amin’ny fikorontanan’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny lafiny rano fidiovana sy […]




