Mois : mai 2024

Kitra – 1/8 Telma Coupe 2024: nahintsan’ny Ajesaia ny AS Fanalamanga

Notanterahina nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 ». Mbola misy ireo lalao tsy vita. Anisan’ireo tafita amin’ny dingana manaraka ny Ajesaia. Miakatra amin’ny dingan’ ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma coupe 2024 », taranja baolina kitra, ny Ajesaia Bongolava. Tafavoaka mpandresy tamin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Mifarana anio ny fifaninanana basikety 3×3, lahy sy vavy “Shoot out”, andiany faharoa izay natao tany Antsirabe, nanomboka ny 1 mey lasa teo. Nahavory olona maro ny fifanintsanana. Betsaka ireo sokajin-dalao natao tany an-toerana, toy ny fifaninana mibala isa telo, “Dunk”. Tsia­hi­vina fa niarahan’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny Federasiona malagasin’ny […]

Acnoa – faritra fahafito: Malagasy atleta 24 lasa any Seychelles

Niainga omaly teto an-tanindrazana, hihazo ny Nosy rahavavy Seychelles, ny delegasiona malagasy hiatrika ny lalaon’ny “Association Afri­caine des comités olympi­ques”, aty amin’ny faritra fahafito, sokajy lahy sy vavy, U18. Fifaninanana izay hotantera­hina manomboka anio, any Mahé Seychelles. Miisa 24 mianadahy izy ireo no hiatrika izany fifanintsanana izany. Tsiahivina fa taranja […]

Rugby vehivavy «CAN 2024»: Afa-bela tamin’i Kenya i Madagasikara

Narodan’ny Makis Ladies ny Keniana, teo amin’ny fifa­nintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehina ny «Mondial 2025», taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Afa-bela ny Makis Ladies. Manohy ny lalany any amin’ny fahombiazana ireo Malagasy mpilalao, ankehitriny. Tsara fanombohana ny Makis Ladies, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, […]

TSELATRA

Telo mianaka nandeha moto scooter nasosan’ny fasika tamin’ny arabe teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teny Imerintsiatosika, omaly. Naratra ilay mpitondra moto. Tsy nahina ny fahasalaman’izy telo mianaka. Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto roa nifandona teny Manjaka Ilafy, afakomaly hariva. Samy nandeha mafy ny roa tonta ka potika tanteraka […]