Nitohy any Ranobe, kaominina Ankilimalinike sy Tsiafanoka, kaominina Tsianisiha, samy distrika Toliara II, ny fampahalalana ny mponina ny zony sy ny tombontsoa tokony ho azony mahakasika ny tetikasa Taratra. Voakasik’izany ny lafiny harena an-kibon’ny tany sy ny fananan-tany. Loabary an-dasy novolavolain’ny kaonferansin’ny eveka, iarahany amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany, […]
Mois : mai 2024
Fifanakalozana : misokatra ny vavahadin-tseraseran’ny varotra
Nampahafantarina, ny talata teo, teny Anosy, ny tranonkalan’ny vavahadin-tserasera momba ny varotra, Portail d’informations commerciales de Madagascar (PICM). Hanampy ny mpandraharaha, mpivarotra, tantsaha mpamokatra, ny kaoperativa mpianatra sy mpikaroka ary ny sarambabem-bahoaka izany. Ampy ahazoana ireo antontan-taratasy samihafa, toy ny fangatahana torolalana momba ny varotra ny fidirana amin’ny rohy www.pic.commerce.mg. […]
Fiatrehana fifidianana depiote : nofanina tsy hiandany na hitanila ireo SRMV
Hitohy anio, eny amin’ny Enam Androhibe, ny fanofanan’ny Ceni ireo mpampiofana ho an’ny faritra Analamanga, hiatrehana ny fifidianana depiote. Hisy koa ny fepetra horaisin’izy ireo amin’ireo mihoa-pefy, amin’izao mialoha ny fifidianana izao. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fanokafana izany, omaly, fa natao izao mba hitovy ny tadin-dokanga eo […]
INDRAY MIJERY
Marihina isaky ny 5 mey ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona na rasazy. Any amin’ny distrikan’i Farafangana no hanaovana ny hetsika ofisialy, amin’ity taona ity. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fampihenana ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra rehefa misy voina miseho, ny mpampivelona, araka ny lohahevitra nosafidiana. Atrikasa ho fankatoavana […]
Fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny: tsy mbola ampy ny rasazy am-perinasa
14 500 ny isan’ny mpampivelona misoratra amin’ny lisitry ny Holafitry ny mpampivelona hatramin’ny volana mey taona 2023, araka ny nambaran’ny filohan’ny Holafitra, Ranoromalala Oméga. Manodidina ny 6 000 no misehatra mikarakara amin’ny fananahana ara-pahasalamana. Rasazy telo mikarakara vahoaka 10 000, raha tokony ho misahana olona 5 000 ny mpampivelona iray, araka ny fenitry ny […]




