Fiatrehana fifidianana depiote : nofanina tsy hiandany na hitanila ireo SRMV

Hitohy anio, eny amin’ny Enam Androhibe, ny fanofanan’ny Ceni ireo mpampiofana ho an’ny faritra Analamanga, hiatrehana ny fifidianana depiote. Hisy koa ny fepetra horaisin’izy ireo amin’ireo mihoa-pefy, amin’izao mialoha ny fifidianana izao.

Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny fanokafana izany, omaly, fa natao izao mba hitovy ny tadin-dokanga eo amin’ny mpikambana eo anivon’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) sy ny eo amin’ny biraom-pifidianana. Nanafatra ireo mpiofana ho mpampiofana ny tenany, tamin’izany, ka nilazany ny tokony hanajana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana depiote. Ham­pitaina eny amin’ireo mpikamban’ny birao fandatsaham-bato izany. Hotandrovina man­drakariva ny fahamarinana sy ny fanajana ny safidin’ny olona. “Ny tsy fitanilana sy ny tsy fiandaniana na amin’iza na amin’iza koa”, hoy izy. Nam­barany fa nitombo 749 ny isan’ireo birao fandatsaham-bato amin’ny fifidianana depiote ho avy io. “Nitombo ny mpifidy ka nosarahana ny birao rehefa mihoatra ny 700 ny mpifidy. Teo koa ny fangatahan’ny eny ifotony raha lavitra ny toerana”, hoy ihany izy.
Fanalana an-daharana ny kandidà
Etsy andaniny, nanambara kosa ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava ny herinandro teo fa azo enjehina amin’ny fitsarana ireo mandika lalàna. “Tsy tokony ho diso hevitra isika hoe tsy misy ny lalàna mifehy ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra. Misy ny lalàna mifehy ny fiarahamonina eo amin’ny famaizana ny fandikan-dalàna amin’ny mialoha ny propagandy”, hoy izy.
Eo ny rafi-pitsarana misahana ny fandikan-dalàna amin’ny fifidianana. Mety tonga amin’ny fanalana an-daharana ny kandidà ny sazy. Tsy manana andraikitra an­koatra ny raharaham-pifidianana ny Ceni amin’ny maha rafitra mpanomana sy mpikarakara azy. Tsy misy resaka izany ny mialoha ny fampielezan-kevitra.

Synèse R. sy R.Nd

Partager sur: