Mois : mai 2024

Fifanakalozana ara-barotra : hita eto ny 95% ny vokatra tadiavin’ny vahiny

Fahombiazana. Maro ta­min’ ireo mpandraharaha no nahazo fifanarahana ara-barotra taorian’ny fihaonana tamin’ireo vahiny mpandraharaha (kanadianina sy afrikanina tatsimo) nanomboka ny 27 mey teo. Nahafahana nampivelatra ny tsena any amin’ireo firenen-dehibe ny fihaonana, hoy ny fanazavana voaray. Voafa­ritra, nandritra izany, ny filan’ ireo teratany vahiny ka ananantsika avokoa ny 95% ny […]

Fizahantany sy asa tanana: hasaina manokana i Côte d’Ivoire

Hatao ny 20 hatramin’ny 23 jona 2024 izao, eny amin’ny foibe CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM), andiany faha-10. Miaraka amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHM). Firenena ho vahiny manan-kaja amin’ity fotoana ity i Côte d’Ivoire. Natao sonia fanindroany, omaly, ny fifanarahana iarahan’ny […]

Fiompiana : « Misy manafina ny katsaka », hoy ny IPA

Maherin’ny 100 000 ny olona mivelona amin’ny fiompiana madinika. Misedra olana anefa ity fihariana ity satria midangana indray ny vidin-katsaka, sakafo fototry ny biby fiompy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Vovo­nana iraisan’ny matihanina (IPA) Madagasikara, ka­tsaka ny 60% ny akora fototra amin’ny famokarana provandy. Tamin’ny taona2023, tafakatra 2 700 Ar […]

Voahitsaky ny kamiao: raim-pianakaviana, nipotsaka atidoha

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao mihazo ny Rocade Iarivo, omaly. Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao teo amin’ny lohany. Maty teo no ho eo, lehilahy iray voahitsaky ny kamiao lehibe iray teny amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo, omaly tamin’ny 3 ora to­lakandro. Kamiao mpitatitra fako miasa ao an-dRenivohitra avy any […]