Kandidà maromaro, nanana andraikitra teto amin’ny firenena no ratsy toerana amin’izao fifidianana depiote izao. Naloan’ny vahoaka izy ireo noho ny fivadihana palitao matetika. Misy sahady ireo kandidà ahina tsy ho lany avy hatrany raha manjohy ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika, amin’izao fotoana izao. Anisan’izany, ny kandidà Hajo Andrianainarivelo ao Avaradrano. Brunelle […]
Mois : mai 2024
TSELATRA
Voatazona eny anivon’ny zandary ny mpamily ilay karandalana nitera-doza tao amin’ny lalana mampitohy an’i Betioky sy Toliara, afakomaly. Nivadika tampoka vokatry ny fandehanana mafy io fiara io, teo Sevalava Besely, distrikan’i Betioky. Maty tsy tra-drano ny mpanampin’ny mpamily sy ny mpandeha iray. Ity farany izay voatsindrin’ny fiara. Olona telo hafa […]
Lasa niandry faty ny tompon-trano : nangalarin’ny jiolahy ny vary iray taonina
Noraisim-potsiny! Nohararaotin’ny jiolahy nidirana ny tranon’ny tompon-trano iray tao Antsapanimahazo, distrikan’i Faratsiho, ny alin’ny 28 mey 2024 teo. Namonjy fiandrasam-paty ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Niditra antsokosoko tao an-trano ny jiolahy telo ka nangalatra ny vary 11 kitapo sy tapany. Efa niandry tsy lavitra teo akaikin’ny trano ny sarety iray. […]
Toamasina : tovolahy hita faty natsingevan’ny ranomasina
Natsingevan’ny ranomasina ny fatina lehilahy iray mangana teo amin’ny faritry ny tendany, tao amin’ny fokontany Depot IV, Toamasina, ny zoma lasa teo. Mpanjono maraina no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’io olona io natsipitsipin’ny ranomasina teny amin’ny torapasika. Tsy nahitana taratasy nahafahana mamantatra azy teny amin’io hita faty io. Ahin’ny fokonolona ho […]
VAOVAO TAMBATRA
Manodidina ny 5 000 isa ny vola 50 Ar volamena vokarin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Efa misokatra ny fisoratana anarana hahafahana mividy izany amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar. Afaka misoratra anarana ao amin’ny tranokalam-pifandraisain’ny BFM ireo rehetra maniry te hisitraka ity vola volamena ity. Mahatratra 80% ny ala honko velona […]




