Mois : mai 2024

VAOVAO TAMBATRA

Vao maika tafakatra 7 500 Ar ny kilaon’ny tongolobe, eny amin’ny tsenan’i Mahazo eto Antana­narivo. Tsy tena vaventy aza ny habeny, fa salantsalany. Nambaran’ny mpivarotra fa ny mpamongady mihi­tsy no mivarotra lafo, ary ailik’izy ireo any amin’ny mpanangom-bokatra indray izany. Nilaza ireto farany, fa midangana ny saran-dalana satria ratsy ny […]

Fiarovana ny tontolo iainana : handramana ny fiara elektrika

Nahazo fanampiana ara-bola, mitentina 1 142 661 do­lara, avy amin’ny Tahirim­bola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (FEM) i Mada­gasikara. Hampiasana azy ny tetikasa « Tohana entina hi­ampitan’i Madagasikara any amin’ny fitaterana elektrika ». Maharitra 4 taona ity tetikasa tohanan’ny FEM ara-bola ity. Hatao eto Antanana­rivo sy Toamasina ny tetikasa andrana. Ao anatin’izany […]

Ny hery tsy mahaleo ny fanahy

  Anatin’ny fampielezan-kevitra ny mpanao politika. Mihazakazaka ny fambaboana vahoaka, indrindra ny mpifidy handatsa-bato. Raha ny ranty etsy sy eroa dia izay mivoaka babany avokoa. Raha ny olona mivorivory sy tonga maka “kadoa” dia hoe ho maro ny hanao poa-droa.  Eny e! Izay rahateo moa no kolontsaina napetraka ho maridrefin’ny […]

fampandrosoana ny Toekarena: lesoka ny fanaovana gaboraraka ny fanjonoana nentim-paharazana

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fandrindrana maharitra ny fanjonoana sy ny famantarana ny antontanisan’ireo manao ny fanjonoana nentim-paharazana eto Madagasikara. Misehatra amin’ny fanjonoana nentim-paharazana avokoa ny 80% ny mpanjono eto amintsika. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny toekarena ity seha-pihariana ity noho izy miantoka ny fidiram-bolan’ny […]

TSELATRA

Maty notifirin’ny jiolahy ny mpivady tao Antanetikely Ankazomiriotra, ny alahady alina lasa teo. Tao an-tranony no nanaperan’ny jiolahy azy mivady. Voalaza fa delege tomponandraikitra misahana kandidà iray hirotsaka ho depiote ilay raim-pianakaviana. Lasan’ireo mpanafika nandritra ny fanafihana ny vola 1 tapitrisa Ar niaraka tamin’ireo fitaovana sarobidy samihafa. Mitohy ny famotorana […]