Mois : mai 2024

Fikambanan-jiolahy « Wrong Turn » : lavon’ny balan’ny zandary Ramaitre sy ny namany

Taorian’ny nahasamboran’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza an’i Lavakely (jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy vaky trano) tao Dakara fokontany Ikianja Ambohimangakely, ny 15 mey 2024 lasa teo, norai­sin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soama­nandrariny sy ny tobim-paritra Ambohimangakely indray ny fanohizana ny fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany fa isan’ny nanafika olona miasa […]

Nangalatra finday roa : voasambotra ilay mpangarom-paosy

Nanararaotra ny hamaroan’ny mpivezivezy, mpangarom-paosy iray voasambotra tao Andranomafana, Antsirabe, ny 19 mey lasa teo. Tovolahy iray nilalao teny an-toerana no lasibatry ny asa ratsin’io tontakely io. Norobainy ny finday roa ka nitsoaka izy. Niantso vonjy tamin’ny manodidina anefa ny lasibatra. Raikitra ny fifanenjehana. Nitsambikina niditra tao amin’ny tanànan’ny Norvezianina […]