Mois : mai 2024

Andron’ny psikolojia: hizarana ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka

Andron’ny psikolojia, fotoana hanentanan’ny mpianatra ao amin’ny departemanta psikolojia ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny saina ary hitondrany lohahevitra efatra ho an’ny rehetra. Manomana fifampizarana manodidina ny lohahevitra «Faha­ranitan-tsaina afaka mivelatra amin’ny sehatra maro» ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny departemant de psy­chologie, eo anivon’ny Uni­versite Catholoque de Mada­gascar (UCM), mitondra ny […]

Drafitra nasionaly PNF II – MFFT: ho voasoroka mialoha ny olan’ ny fananan-tany

Notanterahina tetsy Ano­sy, omaly, ny atrikasa fampahafantarana sy nankatoavana ny Drafi-pirenena ho an’ny fananan-tany andiany faharoa (PNFII), iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nam­baran’ny tale jeneralin’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fananan-tany (FNF), Razafin­dratsimba Vonjy, fa tanjona ny fanakaikezana kokoa sy ny fiarovana amin’ny fananan-tany hipaka eny amin’ny vahoaka. […]

TARATRY ny KANTO

Hampahafantarina ireo mozea rehetra manerana an’i Madagasikara. Nomarihina ny sabotsy 18 mey lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Mifandimby mandeha amin’ny TVM sy ny pejin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany, hatramin’ny 24 mey izao. Anisany, ohatra, ny mozean’ny saripika eny Andohalo, ny mozean’ny Zandarimaria any Moramanga, sns. […]

Horonantsary fanadihadiana : hisy ny dinika momba ny « Filets de Lettres »

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Cercle Ger­mano-Malagasy (CGM Ana­lakely) ny hetsiky ny tetikasa « Decouverte Cinéma », ivahinianan’i Anjara Randriamaha­faly, Malagasy mpanatontosa. Fandefasana sarimihetsika « Filet de Letrres », notontsain’i Anjara, tohizana amin’ny tafa sy dinika, iarahana amin’ity mpanatontosa ity no handravaka ny fandaharam-potoan’izany hetsika izany. Ankoatra ny fampiroboroboana sy famerenan-kasina ny sinema malagasy, […]

“Olympiades culturelles”: omen-danja ny Hip Hop, Rap, slam…

Tanterahina ao amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy 25 mey izao ny « Olympiades culturelles ». Fotoana hanomezan-danja ny kolontsaina fanao an-tanàn-dehibe toy ny dihy Hip Hop, Rap, slam, graffiti, betmaking, parkour, sns, eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana manomboka amin’ny 10 ora maraina ny velakevitra miaraka amin’i Grodash na ilay teratany frantsay […]