Mois : mai 2024

« Festival Tsika Jiaby » : dingana lehibe eo amin’ny tantaran’ny mozika malagasy

Goavana iny… Hipetraka ho mari-drefy tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny mozika malagasy ny andiany voalohany amin’ilay « Festival Tsika Jiaby », tontosa tany Paris, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo. Fampisehoana telo andro tsy an-kiato. Tarika malagasy 30 mahery, izany hoe, tsy latsaky ny 10 isan’andro. Mpijery an-jantony isan’andro, izay teratany malagasy ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Laharana faha-12 no misy ny Ankoay lehilahy, nandritra ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao “Olympika Paris 2024 OQT”, izay natao tany Debrecen, ny 16-19 mey lasa teo. Firenena telo no tafita hiatrika ny “JO Paris 2024”. Anisan’izany i Lituanie, i France sy i Pologne. Taorian’ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena […]

Judo – Mondial 2024 : hiakatra an-tsehatra, anio, i Laura

Tanterahina any Abu Dhabi, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mon­dial” amin’ny taranja Judo, lahy sy vavy, sokajy “seniors”. Ilay vehivavy malagasy judokate, Rasoanaivo Laura, no solontenan’i Madagasikara amin’ity fifanintsanana ity. Hiakatra “tatami” anio, araka izany, ny tenany. Hifanandrina amin’ilay ve­hivavy danoa, Olsen Laerke, i Laura, araka ny fikarohana natao […]

Jiu-Jitsu Breziliana : ho avy eto, anio, i Royce Gracie

Andrasana etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, anio tolakandro i Royce Gracie, mpiangaly fanta-daza maneran-tany eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Breziliana. Ho feno ny fandaharam-potoana ho an’ity tompondaka maneran-tany amin’ny taranja JJB ity. Araka ny lamina napetraka, hitarika seminera en Gi (manao kimono) izy amin’ny alahady 26 mey, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena […]

Tsipy kanetibe : mpilalao 40 hiady toerana ho an’ny «Masters 2024»

Miverina tsikelikely ao anatin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe malagasy. Taorian’ny taratasy nalefan’ny federasiona iraisam-pirenena nanaisotra ny sazin’i Madagasikara, efa manomana ireo mpilalao ny federasiona (FSBM). Vaovao mahafaly ny nandraisan’ny rehetra ny taratasy avy any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny sabotsy lasa teo, fa voafafa tanteraka ny sazin’ny tsipy kanetibe malagasy […]