Ho avy eto Madagasikara, anio, ireo tomponandraikitra ambony iraisam-pirenena amin’ny taranja Karate. Anisan’izany ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Bechir Cherif. Hiara-dalana aminy i Souleymane Gaye, lehiben’ny fikambanan’ny Federasiona aty Afrika (UFAK). Manatevina ny delegasiona koa i Zetouni, filohan’ny kaomisiona mpitsara ao amin’ny WKF. Ankoatra izay, efa tonga eto amintsika tamin’ny talata, i Papa Ismaila Ba, lehiben’ny Kaomisionina misahana ny teknika eo enivon’ny WKF, sy ireo nosy rahavavy : i Maurice sy i Comores ary i Djibouti.
Manomboka rahampitso, haharitra hateloana ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika, faritra atsinanana, taranja karate. Mandray anjara ny sokajy Cadet sy Junior ary Senior, lahy sy vavy. “Efa vonona ny atleta malagasy 39 mianadahy”, hoy ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Tanjona hapetrak’izy ireo ny tsy hialan’ireo medaly volamena eto Madagasikara. Raha ny fanazavana voaray teo amin’ny Federasiona, hotontosaina ny sabotsy ho avy io, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny famaranana lehibe. Aorian’ity fifanintsanana ity, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Tunis, i Madagasikara, ny volana septambra ho avy io.
Hisy ny fivoriambe ara-potoanan’ny Afrika Atsinanana, rahampitso, eny amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina.
Fitia Randria




