Fiomanana amin’ny kolerà : nanolotra fanafody i Rosia

Natolotra omaly, teny Andraharo, foiben-toeran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny fanampiana ho an’ny fitsaboana eto Madagasikara avy amin’ny tetikasa iarahan’ny OMS sy ny fanjakana rosianina. Hitondrana tolotra fitsaboana ho an’ireo mila izany taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane ny fampitaovana sy ny fanafody nomena. Misy fanafody hiatrehina ny valanaretina kolerà (raha sendra misy tranga) sy aretina hafa hampiasain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ireo natolotra. Mitentina 120 000 dolara ny fanafody sy ny kojakojam-pitsaboana.
Mbola misy andiany faharoa ny fanampiana avy amin’i Rosia, andrasana amin’ny faran’ny volana izao, satria nandeha sambo. Hifarimbona amin’ny fitaterana ny fanafody sy ny fitaovana amin’ny faritra hampiasana izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS mba ho tonga tokoa any amin’ireo tena mila azy any ambanivohitra lavitra.Nandray ny fanampiana ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, natrehin’ny masoivoho lefitra rosianina miasa eto amintsika, Alexeï Buriak, sy ny solontena maharitry ny OMS, Dr. Laurent Musango, miasa eto Madagasikara.

Vonjy

Partager sur: