Ny tody tsy misy

 

Iaraha-mahita fa mikoropaka izaitsizy ny mpanao politika hatramin’ny herin’ny alarobia nanaovana ny fifidianana. Ny kandidà avy amin’ny mpanohana fitondrana no tena milomay, mitady ny fomba rehetra handrombahana ny fandresena. Mahavariana ny mahita ireo depiote amperinasa izay efa mitompoteny fantatra fa nandrombaka ny amboara.
Mampametra-panontaniana fa ireo noheverina ho tompon’ny fahefana indray no velon-taraina kokoa amin’ny resaka hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna. Ny avy amin’ny mpanohitra sy ny mahaleo tena izay mangingina sy miandry am-pitoniana. Ny azo ambara, mpandresy voalohany anefa ireo nanolo-tena, tsy notohan’ny antoko. Naleon’ny mpandatsa-bato tsy nitanila tamin’izatsy na izaroa.
Mila fitandremana lalina ny avy amin’ny vaomiera manokana momba ny fifidianana na ny Ceni. Toraka izany ny avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana tsy ho tafiditra anatin’ny vela-pandriky ny kajikajy politika. Marefo, mila fikajiana mafy ny raharaham-pirenena. Efa nampiseho ny heviny ny vahoaka tamin’ny fifidianana. Ahitana taratra ny zotra mety ho arahin’ny firenena izany.
Vanim-potoana izao hanehoan’ny mpiantsehatra natokana hamoaka ny voka-pifidianana, mba hijoro amin’ny toerana nametrahan’ny lalàna azy. Ny fitanilana na ny lesoka iniana atao dia mety ho pitik’afo handoro ny tanàna. Mety ho singam-bolo handavo ny vositra. Izay fandoto iray tandroka ve no hanaovana sorona ny ezaka goavana efa natomboka?
Marina fa ny tody tsy misy, ny atao no miverina. Ny nafafy ihany no tsy maintsy ho jinjaina na mpanohitra na mpanohana fitondrana io! Ny latsabato natao ny 29 mey dia efa tehamaina mandrivorivo ho an’ny mpilalao politika. Tsy nandaitra ny fampiesonana sy ny fanaovana havana raha misy patsa. Leo ilay vahaolana petatoko sy ny fanaovana tsidi-pahitra ny tananany ny vahoaka. Misy hisainana!

r.r

Partager sur: