“Revy revy mody masoandro” II: ho tafaraka indray ry Mahaleo sy ry Lolo sy ny tariny

Tsy fitaka akory ny lohateny… Efa raikitra fa hotontosaina ny 28 jolay izao, ny “Revy revy mody masoandro” andiany faharoa. Eny amin’ny Parking CCI ivato ihany no hanaovana izany. Mbola hiverina hanafana ny fotoana i Samöela sy ny tarika Maha­leo, izay efa nanao tamin’ny andiany voalohany. Ho avy hanatevin-daharana azy ireo kosa amin’ity ry Benny, Bebey ary i Nini, izay hitondra ny revy Lôlô sy ny tariny.
Araka izany, misoritra ho azy ny mety ho endriky ny fampisehoana. Mazava loatra fa ireo mpankafy ny vazo an-gitara sy ny vazo miteny no indray ho tafaraka amin’io fotoana io. “Ambohipihao­nantsika rehetra: namana, fianakaviana, mpifankatia, mpirevy mozika…”, hoy ny fila­zan’ny Louvto Company azy, izay mpikarakara ny hetsika.
Toy ny tamin’ny taon-dasa hatrany, haka endrika “live parking”, izany hoe, misy toerana ho an’ny fiara ary azo atao ny mankafy ny seho eny amin’ny fiara. Hisy toerana ihany koa ho an’ireo mila seza sy latabatra toa ny anaty fety an’efitrano, saingy mazava loatra fa hanana toerana lehibe ireo tia mijery lanonana miaraka amin’ny kitonotono sy ny tanina afo rehefa ankalamanjana. Natao ho an’ny sokajina mpankafy mozika rehetra, ny marimarina kokoa izany. Hampiavaka ity andiany faharoa ity ny fanentanana izay iandraiketan’i Eric sy i Honorat ao amin’ny tarika Fou Hehy.

Zo ny Aina

Partager sur: