Nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana fa raha andro alahady tsotra dia 40% ny tambin’ny ora ambony ampanga (Heure supplémentaire). Raha toa ka “jour férié” kosa ny andro alahady dia 100% ny tambin’ilay ora raha misy mpampiasa mampiasa amin’io andro alahady,”Jour férié io. Voakasik’izany ireo miasa amin’ny hopitaly tsy miankina, toeram-pisakafoana…
Karazana hetsika maro no entina hanamarihina ny iray volan’ny ankizy, ny 7, 12, 14, 21 jona 2024 izao. « Andao hanambatra ny hery ho fiarovana ny zon’ny ankizy » no lohahevitra nosafidiana mandritra ity fankalazana ity. Ireo ankizy mirenireny eny an-dalambe, marefo sy sahirana ao amin’ny Centre Acram Antohomadinika no hanombohana ny fanentanana.
Fampahafantarana ny zo fototry ny ankizy no hatao mandritra izany.
Hanomboka ny 17 jona izao ny hetsika fanaovam-baksiny amin’ny distrika 56. Anisan’izany ny distrikan’Ikongo, Ihosy, Ankazoabo Atsimo, Beroroha, Toliara I sy II, Morombe, Bekily…Atao vaksiny avokoa manomboka amin’ireo zaza 12 volana ka hatramin’ny 4 taona sy 11 volana izay mbola tsy nisitraka ny vaksiny na indray mandeha aza.
Nisy ny atrikasa fanavaozana ny drafitra ho fiatrehana ny loza marolafy eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny loza izay voafaritra ao anatin’ny faritra tsirairay.




